|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 takoritsoka
Fototeny  2ritsoka
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4teny tsy atao ren' ny olona maro.
5tsaho mandeha an-katakonana. [1.1#912]
Fanazavàna teny anglisy  6a rumour, a whisper. [1.2#606]
Fanazavàna teny frantsay  7chuchotement, bruits qui circulent en cachette. [1.3#654]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :

Teny iditra (2/2)9 takoritsoka
Fototeny  10ritsoka
Sokajin-teny  11 anarana
Fanazavàna teny malagasy  12Zavamaneno akatroka mitovy feo amin' ny "castagnette": sotro hazo roa no tazonin' ny tanana havia ary atao mifampiankina ny vohony; sotro hazo iray hafa kosa no tazonin' ny tanana havanana eo amin' ny lelany, fa ny tahony no atsofoka sy avoaka eo anelanelan' ireo sotro roa voalohany ka manaraka ny ngadon-kira.
13Tsy mba maneno mafy fa toy ny mibitsibitsika fotsiny ny feon' ny sotro hazo, ka izany angamba no nanaovan' ny Ntaolo azy hoe takoritsoka; ankehitriny dia sotro vy no ampiasaina. [1.1]
Voambolana  14 Feon-kira: zavamaneno
Renianarana 
Anarana iray reny 

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/19