| Fanazavàna teny malagasy |
3Zavamaneno iray karazana amin' ny anjombona saingy lava be ny tahony (misy mahatratra roa metatra na mihoatra aza).
4Hatramin' ny dimy kilometatra tora-tady no andrenesana ny feony raha tsofina eny antendrombohitra izy, ka izany no ampiasana azy amin' ny fiantsoana fokonolona raha misy voina mihatra: hain-trano, dora tanety, tondra-drano, mpangalatra na fahavalo, kabary.
[1.1]
5Ny anjomara dia zavamanenon' ny Ntaolo natao tamin'ny hazo lavalava poakaty na tamin' ny tandroka ary notsofina toy ny sodina saingy izy lehibebe somary nibobobobo ny feony.
[2.313]
|