|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 lakolosy |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Zavamaneno vita amin' ny halimo, mibikana vara mihohoka, izay misy kiboriny mipaipaika azy ao anatiny ka mahatonga azy haneno; ny lakolosy dia ampiasaina hiantsoana olona na hilaza fotoana na ora: Mamelona lakolosy; tranon-dakolosy.
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
4a bell.
[1.2, 1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
5cloche.
[1.8] |
| Ohatra |
6 lakolosy no nanamarika ny fanombohana sy firavan' asa.
[2.472#]
7 lakolosy Niato tamin' ny 4 ora sy 15 minitra, tolak' andro, ny fivoriana. [1.368#] |
| Voambolana | 8 Feon-kira: zavamaneno |
| Renianarana |
|
| Kamban-teny rehetra | 131Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 132 lakolosy |
| Sokajin-teny | 133 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
134Fomban-drandram-bolo fanao amin' ny volon' ankizy: avòna eo an-daniny roa ny volo ka manjary toy ny boriborin-dakolosy.
[1.1] |
| Voambolana | 135 Fandram-bolo |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08 |
|