|
|
|
|

Teny iditra1 pitikilangy
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Zavamaneno mitovitovy amin' ny jejilava sy ny amponga tany; toy izao no fanaovana azy: mandavaka sahabo ho roan-jehy, tokony ho antonona ny totohondry ny vava lavaka, fa lehibe kosa ny ao anatiny dia asiana rakotra tain' omby maina na hodi-kazo maina ny lavaka; misy tsato-kazo tokony ho antsasa-metatra eo anilany, ary amin' ny tahon-kazo iny no misy ny tadiny izay miditra eo afovoan' ny rakotra ka ny tongotra no manindry ilay sarondavaka; pehina amin' ny tsora-kazo kely iny tadiny iny rehefa mihenjana ary mahavita feo avo na iva araka ny fanenjanana ilay tady izay afolaky ny tanana havia. [1.1]
Voambolana  4 Feon-kira: zavamaneno
Renianarana 
Anarana iray reny 

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12