|
|
|
|

Teny iditra1 jejy
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Zavamaneno misy tadiny roa ka hatramin' ny enina, kitihina mitovitovy amin' ny gitara, henjanin' ny tohan-kazo vita sokitra, ary voatavo siny izay mifatotra eo akaikin' ny tendrony ilany no manamafy ny feony.
4Mikarantsana somary kentsona ny feon' ny jejy -- tsy itovizany amin' ireo zavamaneno misy tadiny; aankina amin' ny traira na ny kibo ilay voatavo siny fanamafisam-peo no mahatonga izay feo anankiroa samy hafa izay; miova araka ny faritany ny anarany: jejo na zezo (Antandroy ary ny faritany atsimo rehetra), jenjy (Betsimisaraka sy faritany atsinanana), lokanga voatavo na jejy voatavo (Imerina sy Betsileo). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5a guitar made with a stick and a gourd. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6espèce de guitare (taper sur cordes) (faite avec une calebasse).. [Tankarana] [1.19]
7espece de guitare montée sur une moitié de citrouille ou de calebasse. [1.3#294]
8sorte de guitare faite d'un bâton et d'une calebasse. [1.8]
Ohatra  9 Nitendry jejy izy ka nandehandeha nangataka; [2.69#]
Sampanteny 
Anarana :
Voambolana  11 Feon-kira: zavamaneno
Tsipelina hafa  12jenjy
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  135Fikambanana 3 amin' io teny io
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08