|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mandia
Fototeny  2dia
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona.
5Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza.
6Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe.
7Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana.
8Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao.
9Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao!.
10Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io.
11Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy, mijongijongy, mamikavika dia, mamilafila, mamindrafindra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manao hitsin-dalana, manao toratady, manao dian' omby jamba, manara-drenirano, miraparapa, miparapaingo, mivarina an-kady, mifatratra an-kady, mianjera an-tevana, manao rebik' ondry, manao raban-tsahona, manao fitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manao findrari-tsokina, manao dia mianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoro-mianotra, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka, mody mandry, mitampody, manao tampody fohy, manao lavalina, mandry an-dalana, manorin-day, manorindasy, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12to tread, to step; to measure with the foot, to fall in with one's plans, to coincide with, to follow, to hit on the same idea, to correspond. [1.2]
13to tread on; to go on a way. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14Mesurer par pieds.
15Entrer dans, parcourir.
16fig.
17Etre payé de retour, se réaliser, s'accomplir, correspondre, coïncider: Vokatra ny varinareo ka mandia tokoa ny fikelezanareo aina (Vous avez une belle récolte de riz et votre travail est payé de retour) ~ Mandia ny voalazako omaly fa tonga hianao (Ce que j'ai dit hier se réalise car vous arrivez) ~ Mandia tokoa ny anarany (Le sens de son nom s'est réalisé tout-à-fait) ~ Mandia ny hevitro ny anao (Votre idée coïncide avec la mienne). [1.3]
18parcourir, marcher sur. [1.8]
Ohatra  19 Tsy tongotro mandia alanana. [2.69#]
20 Tsy maintsy mandia ny tanin-drazako ialahy leiroa. [2.470]
21 Tsy tongotro mandia alanana, tsy tanako mandray joria; [1.406#]
Haiendriteny 
22 Ny ankehitriny :
23 Ny lasa :
24 Ny hoavy :
25 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  26Fikambanana 12 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)27 mandia
Sokajin-teny  28 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  29manitsaka, manjo. [Bara] [1.78]

Fivaditsoratra  30 madañy, 31 madina, 32 mañady, manady, 33 manday, 34 mandia, 35 manida

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/01