|
|
|
|

Teny iditra1 mitsaitsaika
Fototeny  2tsaitsaika
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mandeha mora dia mora, mamindra tsy re amin' ny loha tongotra: Aoka ianao hitsaitsaika fa sao dia manaitra zaza matory. Ny teny hoe: Mitsaitsaika dia fampiasa koa rehefa mihataka avy mamangy fahoriana olona: Ilaozanay hitsaitsaika ianareo, tompoko. (Raha mamangy an-kasoavana kosa, ny mifanohitra amin' ny Mitsaitsaika no ampiasaina, dia ny hoe: Mingodongodona). [1.1]
Haiendriteny 
5 Ny ankehitriny :
6 Ny lasa :
7 Ny hoavy :
8 Filaza mandidy :
Ohabolana  9 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  10 matsaitsaiky, 11 mitsaitsaika, 12 mitsiatsiaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02