|
|
|
|

Teny iditra1 mijaingijaingy
Fototeny  2jaingijaingy
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mandehandeha irery; mandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra, mandeha amin' ny famindra madinidinika nefa toa mangozohozo, mitongilana toa hianjera, marary: Nijaingijaingy tahaka ny akoho voakapoka izy niala avy tao.
5Mamindra toa mitsipitsipika: Lasa nijaingijaingy ny anao lahy nony voatonona ny anarany. [1.1]
Ohatra  6 Indraindray alim-pody avy ao amin-dRasoa mianakavy izy ka indry mijaingijaingy samirery mamaky ny lalan-kely mankeny aminy. [2.470#]
7 Hafa manko izany teo aloha : raha avy manao fanadinana dia lasa mijaingijaingy irery mamonjy sakafo tany amin' ny "restaurant. [2.356#]
Haiendriteny 
8 Ny ankehitriny :
9 Ny lasa :
10 Ny hoavy :
Tsipelina hafa  11mizaingizaingy
Tovy hevitra  12mijaingy

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12