|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 dia
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Atao anelanelan' ny teny miverina indroa mba ho fanamafisan-kevitra: Soa dia soa.
4Mitovy amin' ny sy na ary: Nitsangana izy dia niteny.
5Kian-teny fampiasa: a) Mba hampitohy fehezan-kevitra roa raha lasa aloha ilay fehezan-kevitra miankina: Nony tonga izy dia niteny hoe.., b) mba hampitohy indraindray ny teny enti-milaza amin' ny teny lazaina: Rakoto dia mpianatra mazoto. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6probably the same as dia: step, and used originally to indicate the next step in the narrative, etc.
7and, and so, then, even, in the next place.
8It is used to complete phrases, as: Ary nataoko, dia vita izy (And I did it, and so it was completed).
9It is often preceded by ka, as: Natsoinao aho, ka dia tonga (You called, me and so I have come).
10It is often a mere elegancy of speech.
11It is also used between two words, making them emphatic, as: Tsara dia tsara, very good; nataoko dia nataoko (I did it again and again, or, I really did it. [1.2]
12of sentence inversion.
13in a series of verbs; also used for emphasis, as: tsara dia tsara: very good. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14qui marque l'inversion de la proposition;.
15d'une série de verbes ; sert aussi à renforcer le sens, ex.
16: tsara dia tsara: très bon. [1.8]
Kamban-teny rehetra  17Fikambanana 14 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)18 dia
Sokajin-teny  19 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  20Enti-milaza: Olona mivelona any anaty ala na any an' efitra ka tsy mahalala ny fomban' ny olona mandroso: Mbola misy olona dia, hono, amin' itỳ faritany itỳ.
21Biby na zavamaniry tsy ompiana na ambolena fa velona na maniriniry ho azy fotsiny eny: Mahafinaritra ahy itỳ voninkazo dia itỳ ~ Tonga dia ilay sakanay. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  22wild, roving, savage. [Provincial] [1.2]
23wild. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24sauvage. [1.8]
Tsipelina hafa  25dy
Kamban-teny rehetra  26Fikambanana 14 amin' io teny io

Teny iditra (3/3)27 dia
Sokajin-teny  28 anarana
Fanazavàna teny malagasy  29lalana naleha. [Taisaka] [1.78]
30Ny halavan' ny felatongotra: Lava dia ny lehilahy noho ny vehivavy.
31Halavan-drefy miantomboka amin' ny voditongotra ka miafara ery amin' ny loharantsana (irain-jehy sy voatondro roa na ampahatelon' ny metatra eo ho eo): Telo dia ny halavan' itỳ hazo fisaka itỳ.
32Fandeha ataon' ny olona na ny biby amin' ny fampifandimbiasana ny tongotra roa mifanongontsongona hatrany: Hafaingano ny dianao fa diso fotoana isika.
33Fandehahana, fivahiniana: Dia lavitra izay nataonay androany izay.
34Soritra navelan-javanandalo: Misy diam-pihogo ny volony.
35Andiana, antokon' olona na biby miaramandeha: Nozaraina natao telo diany miaramila. [1.1]
36famindra, andiany: dia raika. [Sihanaka] [1.78]
37lafatra. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  38a step; a journey. [1.2, 1.7]
39a footstep, a mark.
40[Probably connected with Swa.
41njia, or ndia, a path, a road]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  42voyage. [Taisaka] [1.82]
43La longueur d' un pied. [2.415]
44un pas; voyage. [1.8]
45trace, empreinte. [1.13]
Haiendriteny 
46 Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  56Fikambanana 76 amin' io teny io
Ohabolana  57 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  58 Adì, 59 ady, 60 day, 61 dia

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02