|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana misy ny teny hoe : setroka

Ohabolana 1Aza manao ranomaso teren' ny setroka. [2.558 #558]

Ohabolana 2Eny, fa ny anay setroka raha mitomany, fa ny anareo ranomaso. [2.558 #73]

Ohabolana 3Eny, fa ny setroka sy ny tomany tsy mba saro-pantarina akory. [2.558 #1040, 2.653 #875]
Ny tomany sy ny setroka anie tsy mba saro-pantarina e ! [2.415]
Dikanteny frantsayLarmes sincères et larmes dues à la fumée, ne sont pas difficiles à distinguer ! [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des hypocrites et des gens rusés ; et en général, des choses faciles à distinguer. [2.415 #5030]

Ohabolana 4Masaka teren' ny setroka toy ny akondro naotrika. [2.558 #2149]

Ohabolana 5Maso didy halan-tsetroka. [2.415 #2527, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny maso miraikitra noho ny aretina ka mangirifiry raha vao voan' ny setroka. [1.1]
Ilazana ny mahantra izay sahirana erý raha vao misy mahazo azy. [1.1]
Dikanteny frantsayLes yeux chassieux sont haïs par la fumée. [2.415 #2527]
Fanazavana frantsayLa fumée les fait pleurer doublement : le sens est que les pauvres quand ils ont un malheur, souffrent doublement. [2.415]

Ohabolana 6Mitady izay tsy ho henoina ka mitafasiry be setroka. [2.415 #4774, 2.558 #2426, 2.653 #1847]
Dikanteny frantsayC' est vouloir ne pas être écouté que de causer au moment où la fumée remplit la case. [2.415 #4774]
Fanazavana frantsayParler inutilement. [2.415 #4774]

Ohabolana 7Ny hazo avo halan-drivotra, ny vaky molotra halan-tsakay, ny idimaso halan-tsetroka, ary ny mifankatia halan' olona. [2.415 #660]
Dikanteny frantsayLes arbres élevés sont battus du vent, les lèvres fendues sont abîmées par le piment, les yeux chassieux sont éprouvés par la fumée, les gens qui s'aiment font des jaloux. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens exposés aux difficultés. [2.415 #660]

Ohabolana 8Rafotsibe mpisorona afo, ka halan' ny setroka. [2.415 #1912]
Dikanteny frantsayVieille femme chargée d' attiser le feu : elle est noircie par la fumée. [2.415 #1912]
Fanazavana frantsaySe disait des gens de mauvaise réputation et justement décriés. [2.415 #1912]

Ohabolana 9Raha misy afo dia ao ny setroka. [2.558 #3617]

Ohabolana 10Ranomaso teren' ny setroka. [2.415]
Dikanteny frantsayLarmes feintes sont comme celle que la fumée fait verser. [2.415]

Ohabolana 11Samihafa ny setroka sy ny mitomany. [2.415]
Dikanteny frantsayPleurer par suite de la et pleurer par suite de la douleur, sont deux choses différentes. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des crites et des gens rusés. Vérité et hypocrisie sont choses fort différentes. [2.415 #5037]

Ohabolana 12Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina. [2.165 #2146, 2.415 #2776]
Dikanteny frantsayFumée et larmes se voient facilement. [2.415 #2776]
La fumée et les larmes s' aperçoivent facilement. [2.165]

Ohabolana 13Setroky ny kitay nalaina, ka mitomany tsy fidiny. [2.558 #3870]

Ohabolana 14Setroky ny kitay nalainy. [1.1]
Fanazavana malagasyVoan' ny nataony ihany. [1.1]

Ohabolana 15Setroky ny kitay nangatahina, ka tsy te-hijery ny trano nahazoana. [2.165 #1135, 2.415 #5475, 2.974 #380]
Setroky ny kitay nangatahina, ka tsy te-hijery ny trano nahazoana azy. [2.558 #3870]
Setroky ny kitay nangatahina, ka tsy te-hijery ny trano nehazoana. [2.653 #2884]
Dikanteny frantsayAvoir été incommodé par la fumée du combustible qu' on a eu pour rien, et ne plus vouloir regarder la maison de ceux qui l' on donné (litt. la maison où on l' a obtenu). [2.165]
Enfumé par le bois et la paille à brûler qu' on a demandés, on ne veut pas regarder la maison où on les a reçus. [2.415 #5475]
Tellement aveuglé par la fumée, qu’il n'en ose plus regarder la maison où il a demandé du jeu. [2.974 #380]
Fanazavana frantsaySe disait de l' ingratitude. [2.415 #5476]

Ohabolana 16Tranobongo be setroka, ny valo zoro be laza. [2.558 #4381]

Ohabolana 17Tranobongo halan-tsetroka, olon' ory halan' ny mpanana. [2.558 #4382]

Ohabolana 18Tsy mety raha setroky ny afo aroson' ny hafa. [2.165 #2256, 2.653 #3487]
Dikanteny frantsayIl n' est pas juste d' être enfumé par le feu allumé (ou entretenu) par un autre. [2.165]

Ohabolana 19Tsy ranomaso noteren' ny setroka, fa ny kibo saoky ny nahiny. [2.558 #4787]

Fizahan-teny