| Fanazavàna teny malagasy |
4Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona.
5Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao.
6Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra.
7Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza.
8Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako".
9Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko.
10Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao.
11Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy.
12Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny.
13Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra?.
[1.1]
|