|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 alahasaty
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany.
4Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany.
5Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona).
6Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty, indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana ody mahery.
7Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany.
8Ny odifoana (karazan' ahitra) no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa! Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra! Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty, atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty.
9Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io.
10Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady.. [1.10]
11. [3.1]
12volana aogositra (volana faha-5). [Taimoro] [1.78]
13Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana.
14Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  15the name of the fifth month of the Malagasy year.
16[Al.
17Al-asadu - Leo major.]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  18nom d'un destin. [1.3#20]
Ohatra  19 Ny Adalo, ny alahasaty no mifandratra aminy. [2.857]
20 Tamy ny andro Alarobia 16 alahasaty 4 Janoary 1882. [2.59#89]
Voambolana  21 Fotoana 22 Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Ohabolana  99 Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  100 Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)101 alahasaty
Sokajin-teny  102 anarana
Mpanahaka  103 sikidy
Lahatsoratra  104

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05