|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 adijady
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3laharana fahafolo amin' ny volana malagasy.
4Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau).
5Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy.
6Eo anjorom-baravarankely (avaratra-andrefana) no filaharany.
7Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina; nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany.
8Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' izany.
9Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana, na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo.
10Io koa no tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano.
11Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona: "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana." Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany.
12Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka, misy mirodona ny tokotany.
13Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany.. [1.10]
14. [3.1]
15Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely).
16Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io.
17Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  18The name of the tenth month in the Malagasy year.
19[Ar.
20Al-dschadiu - Capricorns.]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  21Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache. [1.3]
Ohatra  22 ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296#]
23 fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59]
Voambolana  24 Fotoana 25 Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Ohabolana  102 Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  103 Fizaran' andro

Teny iditra (2/3)104 adijady
Sokajin-teny  105 anarana
Fanazavàna teny malagasy  106zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  107tropique du Capricorne. [1.13]
Voambolana  108 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  109 asorotany, 110 zanapehintany
Sary 

Teny iditra (3/3)111 adijady
Sokajin-teny  112 anarana
Fanazavàna teny malagasy  113latsa, fanalikalikana, ompa. [Taimoro] [1.78]

Fivaditsoratra  114 adijady, 115 adijidà

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05