|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 adaoro |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3faharoa amin' ny filaharan' ny volana malagasy.
4Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny anaran' ny antokon' ny kintana, izay ataon' ny Arabo hoe Eth-thoür (Taureau). 5Zana-bintana eo atsimon' ny Alahamady ny Adaoro. 6Eo no toerana ao an-trano fametrahana ny fandriana. 7 Ny tonon' andro Adaoro dia atao hoe "andro mena" na "andron' afo"; ka ninoana ho fi-may na halam-baratra, ny trano aorina amin' ny tonon' andro Adaoro. 8Ny masoandro dia natao ho Adaoro, satria mandoro ny zavatra rehetra izy. 9 Ny trano vao vita, na dia tsy natomboka tamin' ny tonon' andro Adaoro aza, dia tsy maintsy nandalo izany tonon' andro izany ihany teo am-panaovana; ka alohan' ny hidirana voalohany ao dia andrehetana afo miroborobo ao anatiny, sady misy miantsoantso hoe: "May ny trano! May ny trano!" Dia afak' izay, hono, ny herin' ny afo. 10Ho fanampin' izany anefa dia fadirana tain-kodinato sy vonin-tsongotsongo koa ny trano vao vita, ary isoronana akoholahy mena. 11Samy mena ireo, ka mandresy ny afo. 12 Ny zaza teraka amin' ny vava-Adaoro dia atahorana ny afo, ka tsy maintsy alana vintana. 13Toy izao no fanao amin' ny toy izany: misy rano tomboka kely atao amin'ny mololo, na horona, dia entin' ny reniny miditra amin' io trano tomboka io ilay zazakely. 14Rehefa tafiditra ao izy mianaka dia tsoloana afo amin' izay ilay trano tomboka, ary mitsoaka mamandositra faingana ravehivavy mitondra ny zazakely; dia vitan' ny afo, hono, ilay zaza! Ho fanampin' izany dia ampiambozonina vakana tsileondoza (vakana mena mivolon' afo) koa ilay zazakely ho fanefitry ny afo, hono! Ny zaza teraka amin' ny vodi-Adaoro dia heverina ho tsara vintana. 15Raha zazalahy izy dia hahay mikabary; ary raha zazavavy dia ho tsara fanahy. 16 Ny vintana Alakarabo no mifandratra amin' ny Adaoro; ary ny mihataka eo amin' ny Adimizana no iarenany.. [1.10] 17
18Anaran' ny volana faharoa amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Alahamady ary alohan' ny Adizaoza, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy tao an-trano dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany avaratra, ka eo no fametrahana ny fandriana. 19Ny tononandro Adaoro dia atao hoe andro mena na andron' afo ka natahorana amin' ny afo ary halam-baratra ny trano aorina amin' ny Adaoro. 20Fanandroana: Ny zaza teraka vava adaoro dia atahorana afo ka alana vintana; ny teraka vody adaoro, tsara fa hidaoro (hidoboka) tsara: mahay mitondra ny tenany, mahay miteny; raha lehilahy dia mpikabary; raha vehivavy, mahay mitondra tena. [1.1] |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Fanazavàna teny anglisy |
21The name of the second month of the Malagasy year.
22[Ar. 23Atz-tzauru - Taurus.]. [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
24La seconde lune et le second mois de l'année malgache.
[1.3] |
| Ohatra |
25 Ary tamy ny andro Alakamisy 1 adaoro, 26 May 1892.
[2.59]
|
| Voambolana | 26 Fotoana 27 Finoana |
| Renianarana |
|
| Anarana iray reny |
|
| Tsanganana sy sary iray takila |
104 Fizaran' andro |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|