|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy |
| Singan-teny | 2firaketana, 3fiteny, 4zavatra, 5malagasy |
| Sokajin-teny | 6 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
7Fitadidy momba ny "Firaketana" 1937-1963. Tamin' ny volana Zanvie 1937 no niseho ny antakelaka voalohany amin' ny boky "Firaketana". 8Ireo mpiadidy ny gazetim-boky "Fiainana" -- izay mbola mitohy miseho hatramin' izao ary nivoaka voalohany kosa tamin' ny taona 1928 -- ireo no nifarimbona, nampian' ny namana maro eran' ny Nosy ary araka ny hevitrasy toro-lalana nitarihan' Itompokolahy Ravelojaona azy; antakelaka niseho isam-bolana no niandohan' ny Firaketana ary dia mbola izany no endrika tanany hatramin' izao. 9Ireto no anaran' ireo mpiadidy ny fanoratana tary am-piandohana tary (ny efa nodimandry dia tsarovana amim-panajana sy fankasitrahana) : H. 10Rabeony, J. 11Ratsima, H. 12Randzavola, Ravelojaona, J. 13Ramambasoa, F. 14Ratrema, G. 15Andriamanantena, F. 16Rajaobelina, Joseph Rakotovao (mpitandrina), Rabevazaha, F. 17Gabriel Rajonah, Rahajason (mpampianatra). 18Ny tena tonian' ny fanoratana hatrany am-boalohany dia Itompokolahy Ravelojaona (1937-1956) sy Andriamatoa F. 19Gabriel Rajonah (1937 ka mbola mitohy hatramin' izao). 20Ny ray aman-dreny teo anatrehan' ny fanjakana: 1937-1939: Prof. 21E. 22Kruger 1939-1942: Pasteur Ch. 23Bonzon 1943-1953: It. 24H. 25Randzavola, mpitandrina 1953-1956: It. 26Ravelojaona, mpitandrina 1956 ka mbola mitohy hatramin' izao: Atoa F. 27Gabriel Rajonah, professeur. 28Ny Mpiandraikitra. 29-- Ny fikarakarana ny famoahana ny boky amin' ny lafiny samy hafa (amin' ny ara-bola sy amin' ny fampielezana azy, ets.) dia It. 30Ravelojaona koa no nitana izany toerana izany hatrany am-piandohana ka hatramin' ny fodiany mandry (1937-1956). 31Nanomboka hatramin' ny 1956 dia ny zazany Atoa Rambelosoa, ampian' izy mivady dia Atoa Samuel Andrianjafintrimo sy Rtoa Razafindravao, no nandimby an-drainy.. [1.10#K.404] |
| Fanazavàna teny frantsay |
32vaste dictionnaire encyclopédique des mots et des choses malgaches, qui commence à paraître sous sa [Ravelojaona] direction en 1937.
[1.11] |
| Voambolana | 33 Haisoratra: boky |
| Mpanoratra |
34Rajonah Gabriel 35Randzavola Henri 36Ravelojaona |
| Mpanonta printy |
37 Imprimerie Industrielle. 1937. Haavony: 23cm. Ambainy: 15cm. Takila: 4256. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|