|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 adalo
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3faha-11 amin' ny filaharan' ny volana malagasy.
4Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny anaran' ny antokon' ny kintana (constellation zodiacale), izay ataon' ny Arabo hoe El-daloû (Verseau).
5Ny Malagasy, raha mbola tsy nanjakan' ny herin' ny Filazantsara ny saina amam-panahiny, dia nino sy nitoky tamin' ny fisian' ny vintana sy ny tonon' andro, izay nofantarin' ny mpanandro arakaraka ny fandehan' ny volana.
6Ny tonom-bolana malagasy 12 dia nozaraina ho efa-toko, nalahadahatra teny amin' ny lafin-trano efatra, mba hamantarana ny orim-bintana sy ny tonon' andro.
7Tamin' ireo antoko efatra ireo dia natao hoe reni-vintana ny tonom-bolana mifanadrify amin' ny zoron-trano efatra, ary ny ankobany sisa kosa dia zana-bintana.
8Ny reni-vintana eo anjoro-firarazana (avaratra atsinanana) dia Alahamady: io no voaloham-bolana.
9Ny zana-bintana eo amin' ny lafiny atsinanana dia Adaoro sy Adizaoza.
10Ny reni-vintana eo anjoron' akoho (atsimo atsinanana) dia Asorotany.
11Ny zana-bintana eo amin' ny lafiny atsimo dia Alahasaty sy Asombola.
12Ny reni-vintana eo anjorom-baravarambe (atsimo andrefana) dia Adimizana.
13Ny zana-bintana eo amin' ny lafiny andrefana dia Alakarabo sy Alakaosy.
14Ny reni-vintana eo anjorom-baravarankely (avaratra andrefana) dia Adijady.
15Ny zana-bintana eo amin' ny lafiny avaratra dia Adalo sy Alohotsy.
16Ny Adalo izany dia eo anelanelan' ny zoron-trano avaratra andrefana sy ny andry avaratra.
17Eo no toerana fanajam-bahiny indrindra ao an-trano.
18Ny andro rehetra anatin' ny iray volana dia zarazaraina ho tonon' andro (jours astrologiques) samy hafa; ka ny reni-vintana efatra dia samy mitondra tonon' andro telo avy, izay atao hoe vava sy vonto ary vodiny; ny zana-bintana kosa dia samy mitondra roa avy, izay atao hoe vava sy vodiny.
19Koa ny andro ahatsinanan' ny volana Adalo dia vava-Adalo, ary ny ampitson' io dia vodi-Adalo; ary ny andro fahatelo sy fahefatra dia vava-Alohotsy sy vodi-Alohotsy; ny andro telo manarakaraka izay dia vava-Alahamady sy vonto-Alahamady ary vodi-Alahamady (satria reni-vintana ny Alahamady, ka mitondra telo); ary dia mandroso toy izany mandra-pahafatin' ny volana Adalo.
20Lany amin' ny 28 andro ny tonom-bolana 12, araka ny isan' y tonon' andro entiny avy.
21Kanefa ny volana (lune) amin' ny fandehany dia maharitra 29 andro sy tapany eo ho eo hatramin' ny ahatsinanany ka hatramin' ny ahafatesany.
22Koa satria miakina amin' ny andro tena ahatsinanan' ny volana ny filazana ny tonon' andro dia tsy maintsy mivoaka maraina alina koa ny mpanandro rehetra rehefa mby amin' ny faha-27-n' ny volana mba hijery ny halehiben' ny volana sisa izay tazana eny amin' ny vodilanitra atsinanana.
23Ka raha efa kely dia kely no sisa, ka tokony ho faty ny ampitson' io, dia lazainy ho teteza-mita, na maty koa velona izany; satria afak' ampitson' io andro itazanany io dia tsinana ny volana manaraka.
24Raha mbola lehibebe ihany ny sisa, ka tokony tsy ho faty raha tsy afa-ampitson' izany, dia lazainy mamono tokana izany, ka tonga miampy iray ny isan' ny andro amin' io volana io.. [1.10]
25. [3.1]
26volana faharoa amin'ny taona. [Taimoro] [1.78]
27Anaran' ny volana faharaika ambin' ny folo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Adijady ary alohan' ny Alohotsy, ka ny toerany ao an-trano dia eo amin' ny lafin-drindrina avaratra, ilany andrefana.
28Ny rivotra dia natao hoe adalo, ary ny rivotr' adalo dia manimba zavatra betsaka.
29Ny tononandro adalo dia lazaina ho androndranomaso be alahelo.
30Fanandroana: Vavany: miala vintana fa maty kely; vodiny: midalodalo ka miadaladala, tsara vintana, tratra antitra anefa, na dia manan-toetra malahelohelo aza araka ilay fitenenana hoe: Adalo be ranomaso. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  31The name of the eleventh month of the Malagasy year.
32[Ar.
33Ad-dalru - Aquarius.]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  34Nom de la onzième lune et du onzième mois de l'année malgache. [1.3]
Ohatra  35 Ary nony Alakamisy 20 adalo, 14 Febroary 1895: [2.59]
36 Andro Zoma no tsara amin'ny adalo ary tsy misantatra Talata sy Alakamisy. [1.381#]
37 Ary nony am-pitso Alatsinainy 17 adalo 1873, Dia nolazain'olona fa azo Boto; [2.59#]
Voambolana  38 Fotoana 39 Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  116adalo be ranomaso
Ohabolana  117 Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  118 Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)119 adalo
Sokajin-teny  120 anarana
Mpanahaka  121 sikidy
Lahatsoratra  122

Fivaditsoratra  123 adalo, 124 adola, 125 dalao

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05