|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 alakarabo
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3laharana fahavalo amin' ny volana malagasy, ary zana-bintana ampofoin' ny Adimizana.
4Amin' ny lafin-drindrina andrefana, avy eo avaratry ny zorom-baravarambe no anjara-toerany.
5Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-aqrab (Scorpion, maingoka).
6Ny tonon' andro Alakarabo dia androm-bokatra, ka amin' izany no isantarana ny fambolena, indrindra fa ny zava-maniry mihantom-boa: akondro, vary, katsaka, ets.
7Izany koa no mahatonga ny fanao amin' ny fisoronana akondro vokatra, isaky ny tsinam-bolana ny Alakarabo.
8Ny mpanjaka Ranavalona II (1868-1883) dia teraka tamin' ny vava-Alakarabo; ka tamin' ny andro nanjakany dia toa notadiaviny hafindra tamin' ny Alakarabo ny Fandroana; nefa tsy nety levona tao an-tsain' ny vahoaka ny maha Asaramanitra.
9Ilay "Lalàn' ny Fanjakana" (Code des 305), izay notononin' ny olona hoe "Ny dimy venty sy telon-jato", dia nokabariny tao Andohalo tamin' ny Talata 1 Alakarabo (29 mars 1881).
10Nikendry ny fitsingerenan' ny tonon' andro nahaterahany izy tamin' io.
11Ny nampahalaza ny Alakarabo indrindra dia izy natao ho fotoana fandatsahana miaramila tamin' ny andro nanjakan' io Ranavalona II io, ka nahatonga ny fitenin' ny olona, sady natao an-kira hoe: "Raha midona ny Alakarabo, zanak' iza no tsy ho miaramila?".
12Dia nisy ny antoko-miaramila nomena anarana hoe "Alakarabo voalohany", "Alakarabo faharoa", ets, araka ny fotoana nandatsahana azy.
13Tato aoriana dia nosoloana ny anarana hoe "Vôlantera" ny hoe Alakarabo; nefa tsy dia an-tsitrapo tsy akory no nilatsahana ho miaramila tamin' izany.
14Ny vintana Alakarabo dia miarina eo amin' ny Alahamady, fa mifandratra amin' ny Adaoro.
15Ny faditra fanesoran-doza amin' ny vintan' Alakarabo dia ny mosavinkena sy ny hazo marary ila (maina ny ila hazo); ary ny sorona enti-maniry ny fahasoavana amin' izany kosa dia ny akondro vokatra, ny vatolalaka ary ny betaonàny (vary).. [1.10]
16. [3.1]
17volana novambra (volana faha-8). [Taimoro] [1.78]
18Anaran' ny volana fahavalo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adimizana ary alohan' ny Alakaosy, ka ny toerana nomena azy tao antrano dia teo amin' ny lafindrindrina andrefana, ilany atsimo.
19Fanandroana: Tonon' andro tsara fa androm-boa ny alakarabo.
20Vavany, na vodiny: raha vehivavy, maro anaka; raha lehilahy, tratra antitra fa vokatra loatra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  21the name of the eighth month of the Malagasy year.
22[Ar.
23Al-aqrabu - Scorpio; Heb.
24a'qrab.]. [1.2]
Ohatra  25 Ny varavaram-pasana no atodika any @' ny alakarabo. [1.381#]
26 N° 320 Tamy ny andro Alahady 20 alakarabo, 20 Desembra 1891. [2.59]
Voambolana  27 Fotoana 28 Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Ohabolana  105 Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  106 Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)107 alakarabo
Sokajin-teny  108 anarana
Mpanahaka  109 sikidy
Lahatsoratra  110

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05