|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 alohotsy |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3laharana faha-12 amin' ny volana malagasy izany, ary zana-bintana baben' ny Alahamady.
4Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo El-hoût (Poissons, Hazandrano). 5Amin' ny lafin-drindrina avaratra avy eo atsinanana ny andry no anjara-toerany. 6Eo no fametrahana ny lovia aman-tsotro; noho izany no anaovana ny tonon' andro Alohotsy ho andro maivana, tsy mba mahamarim-ponenana. 7Raha hanorin-trano sy hampaka-bady dia tsara ihany ny Alohotsy, satria andro maivana tsy mahafarofy; kanefa tsy maintsy isoronana vato velona (vatokaranana) sy harahara, na famaho (samy karazan-kazo mafy ireo); izay alevina eo atsinanan' ny andry avaratra (Alohotsy), mba ho mafy tsy hifindrafindra fonenana na hihetsiketsika. 8Ny volana Alohotsy dia zanaka miandra ny reniny (Alahamady), ka dia atao hoe volam-padina. 9Amin' ny andro ahatsinanan' ny volana sy ny ampitson' io (vava-Alohotsy sy vodi-Alohotsy) dia tsy misy manao taozavatra na inona na inona. 10Ao anatin' ny volana Alohotsy manontolo dia tandremana mafy mba tsy hokasihin-java-maranitra ny ankizimadinika, sao maratra amin' ny volam-padina, ka tsy mety sitrana; koa mandritra izany iray volana izany dia tsy hetezana ny volon' ny ankizy, ary tsy alana ny hohony. 11Raha sendra misy maratra tsi-fidiny ao anatin' ny volana Alohotsy, dia hosorana ranon-ivin-aketalahy (valala) ny vava-fery fa izany natao ho faditra sy fanafody hany mahasitrana azy. 12Tsy misy faty azo aseho ao anatin' ny Alohotsy volam-padina, satria efa miandrandra ny Asaramanitra amin' izany; koa izay maty ao anatin' io volana io dia alevina mangingina tsy otronin' olo-maro. 13Ny vintana Alohotsy dia mifandratra amin' ny Asombola fa miarina eo amin' ny Adimizana. 14Araka ny fanazavana natao tary aloha dia ny tonon' andro mifampisompirana eo amin' ny anjara-toerany avy, eo amin' ny lafin-drindrina efatra, no atao hoe mifandratra. 15Ny mahatonga ny fiheverana izany dia avy amin' ny volana miratra. 16Ny andro rehetra anatin' ny volana iray mantsy dia zarazaraina ho tonon' andro (jours astrologiques) samy hafa; ka ny reni-vintana efatra dia samy mitondro tonon' andro telo avy, izay atao hoe vavany sy vontony ary vodiny; ny zana-bintana kosa dia samy mitondra roa avy, izay atao hoe vavany sy vodiny. 17Koa ny tonon' andro amin' ny ahatsinanan' ny Alohotsy dia atao hoe vava-Alohotsy, ary ny ampitson' io dia vodi-Alahotsy; ny andro faha-3, 4, 5 dia vava-Alahamady sy vonto-Alahamady ary vodi-Alahamady; ny faha-6,7 dia vava-Adaora sy vodi-Adaoro; ny faha-8, 9 dia vava-Adizaoza sy vodi-Adizaoza; ny faha-10, 11, 12 dia vava-Asorotany sy vonto-Asorotany ary vodi-Asorotany; ary ny faha-13, 14 dia vava-Alahasaty sy vodi-Alahasaty. 18Eo no feno-manana ny volana; fa rahefa mandray ny vava-Asombola dia miantomboka miratra ny volana Alohotsy, ka atao mifandratra amin' ny vintana Alohotsy izany. 19Azo fantarina toy izany, avy amin' ny tonon' andro tsirairay ao anatin' ny volana iray, izay mifandratra amin' ilay vintana, araka ny volana hitsahina. 20Ny faditra analana ny vintana Alohotsy dia akofam-bary, ny tany mitoetra ila-hoho (mivava efa hirodana), ny tsy mahatohan-tena (kifafa). 21Ary ny sorona fitadiavana ny soa amin' ny vintana Alohotsy kosa dia ny harentsimaty, ny lambotsimarofy (samy karazam-bakana ireo), ary ny fatotraharahara (fantaka).. [1.10] 22
23Anaran' ny volana faharoa ambin' ny folo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Adalo ary mialoha ny Alahamady, izay miverina indray. 24Ny toerana nomen' ny Ntaolo ny alohotsy dia eo amin' ny lafin-drindrina avaratra, ilany atsinanana. 25Fanandroana: vavany: tsy marimponenana, mifindrafindra; vodiny: maivana tsy farofy, tsara ihany na dia hotsohotso izay aza. [1.1] |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Fanazavàna teny anglisy |
26the name of the twelfth month in the Malagasy year.
27Called also volam-padina. 28It used to be considered an unlucky month, when diseases were supposed to be more frequent, and wounds incurable. 29During this month the sakalava do not change their residence; they abstain from all rough work in which they might be hurt; and when the moon is full, chiefs retire to their houses and give up all business. 30During the last five days of the month the Hova formerly avoided shedding blood of any kind. 31[Ar. 32al-hutu - Pisces.]. [1.2] |
| Ohatra |
33 Ary nony tamy ny andro Alahady 4 alohotsy 1857.
[2.59]
|
| Voambolana | 34 Fotoana 35 Finoana |
| Renianarana |
|
| Anarana iray reny |
|
| Kamban-teny rehetra | 112manao vintana alohotsy |
| Ohabolana | 113 Ohabolana misy io teny io |
| Tsanganana sy sary iray takila |
114 Fizaran' andro |
| Teny iditra (2/2) | 115 alohotsy |
| Sokajin-teny | 116 anarana |
| Mpanahaka | 117 sikidy |
| Lahatsoratra |
118
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|