|
|
|
|

Teny iditra1 afaka
Sokajin-teny  2 matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3miala, mivaha: Afaka ny tady tamin' ny tongotr' ilay akoho ka lasa izy.
4miala, mitsoaka, miombotra, miongotra: Notsofin' ny rivotra ka afaka ny savilim-baravarana ~ Nianjera izy ka afaka ny nifiny.
5miala, miendaka, mikipaka: Afaka daholo ny tafontrano tamin' ilay rivo-doza teo iny.
6miala, mihintsana, miraraka: Afaka daholo ny ravinkazo.
7tafahoatra, tafadingana, tafita: Tsy afako io hady io fa be vahana loatra ~ Arahaba fa afaka fanadinana.
8vita, efa, tontosa, azo: Afak' izy roapolo lahy ny tanàna.
9voala, voaesotra: Afaka ny akotry tamin' ny vary ~ Tsy mety afaka ilay pentin-dranomainty tamin' ny akanjonao.
10voala, voavela, voavotsotra: Mandehana fa afaka ny helokao, hoy i Jesoa tamin' ilay boka.
11nalana, namindrana fo: Afaka amin' ny karatra izy fa maro anaka ~ Afaka tamin' ny loa vola izy.
12nialana: Afaka entam-be aho tamin' ny nahasitranan' ny zanako.
13teny fanao saikina matoantenin' ny mpanao, enti-milaza fa manana ny ilaina rehetra mba hahavita zavatra ilay manao ny asan' ny matoanteny: Efa afaka mandeha ny zanako ~ Tsy afa-manoratra ny tanako.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14free, free from, separated from, disengaged; unlocked, untied; passed over; emptied as a bag; taken, as applied to a town in war; discharged; passed, as an examination.. [1.2]
15free, set free. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16détaché, tombé, enlevé, pris d'assaut, emporté: Afaka ny varavarana (La porte s'est détachée) ~ Afaka ny ravinkazo (Les feuilles sont tombées) ~ Nidona tamin'ny vato izy, ka afaka ny hohon' ny ankibeny (Il a heurté contre une pierre et a eu l'ongle de l'orteil enlevé) ~ Nasiany totohondry izy, ka afaka ny nifiny anankiray (Il lui a donné un coup de poing qui lui a enlevé une dent) ~ Afaka ny diso (Les fautes ont été enlevées) ~ Tsy afaky ny fahavalo ny tanàna (La ville n'a pas été prise par les ennemis).
17délivré, sauvé, échappé, affranchi, exempt, exempté, délivré de ses engagements, absous, débarrassé, libre, qui peut: Nafatotra izy ka afaka izao (Il avait été attaché, mais il est maintenant délivré) ~ Afaka amin' ny loza izy (Il a échappé au danger) ~ Andevo afaka (Esclave affranchi) ~ Afaka amin' ny fandoavan-ketra izy (Il est exempt d'impôts) ~ Afaka ahiahy izy (Il est exempt d'inquiétude) ~ Afaka ota izy (Il est absous de ses fautes) ~ Afa-draharaha aho (Je suis débarrassé de toute affaire) ~ Afaka aho (Je suis libre) ~ Tsy afa-miala eto aho izao (Je ne puis pas maintenant quitter ici). [1.3]
18libre, libéré. [1.8]
19capable, admis, apte. [1.13]
Ohatra  20 tsy hisy ho afaka|ho afa, tsy hisy ho afaka|ho afa-mandositra [2.996]
21 Lasa nipetraka izy, ka te-hiteny, nefa tsy afaka [2.324]
22 Nety nisotro rano mafana izy ary afaka namihimpihina ny loha-ratsany [2.470]
23 Voalaza anefa fa afaka efatra na dimy volana vao hiverina io sambo io, ka voatery nikaro-kevitra tamin'ny sambo hafa aho [2.471]
24 Noho izany, tsy afaka handray afa-tsy ireo mandoa aho [2.472]
25 lalana ny toerana tsy homby ny kodiarana roa sy tsy afaky ny omby. [2.117]
26 Ny ranjony anefa no dia tsy afaky ny tovovavy kely namany indrindra, fa ny toy izany angaha no nahavaky ny ntaolo fahiny hoe: [2.499]
Haiendriteny 
27 Ny ankehitriny :
28 Ny lasa :
29 Ny hoavy :
30 Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  50 lasa, 51 misendaka, 52 misindaka, 53 tapaka, 54 tosaka, 55 votsotra
Kamban-teny rehetra  56Fikambanana 100 amin' io teny io
Ohabolana  57 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02