|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Singan-teny | 2Razakandraina |
| Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox.
[3.1] 5Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra. 6Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany. 7Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. 8Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany. 9Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. 10Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ). 11Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky: Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960). 12Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky: Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia: Le Cid, Horace ary Andromaque. 13Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana. 14Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. 15Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko.. [2.313] |
| Fanazavàna teny frantsay |
16Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913.
17Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe, puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire, étant à la tête d'un petit bulletin d'école. 18S'efforçant alors, autant que possible, de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers-- DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox". 19Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par correspondance de dessin et de peinture. 20Son talent fécond en littérature s'est exprimé. 21-- dans des poèmes: Ny Hirako (1940), Izy Mirahavavy (1946), hiravaRakimalala (1945), Iarivo (1956), Voninkazon' ny tanteraka (1956), Ny fitiavany (1957), Apokalipsy (1957), Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958);. 22-- dans ses pièces historiques: Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Ny Ombalahibemaso, Ombalahy savika ombalahy;. 23-- ou inspirées de la Bible: Solemita (1949), Estera (1958);. 24-- ou traduites du français: Le Cid (1961), Horace (1962), Andromaque (1964). [1.11] |
| Voambolana | 25 Tantara: olona 26 Haisoratra: mpanoratra |
| Asa navoany |
27 Ali-mainty mamanala 28 Antsam-pitiavana 29 Asa izany 30 Farany 31 Feo mahery 32 Indro 33 Kintana mamony 34 Madagasikara 35 Ny Ombalahibemaso 36 Ny Varavarankelinao 37 Paiso 38 Tafatoetra 39 Teo amin' ny valsa 40 Tsikitsikinao 41 Tsy hodinganina ny maty 42 1940 Ny hirako 43 1948 Hira va? 44 1949 Solemita 45 1956 Iarivo 46 1956 Voninkazon' ny tanteraka 47 1957 Apokalipsy 48 1957 Ny Fitiavany 49 1958 Estera 50 1958 Fahatsiarovan-tena 51 1958 Izy mirahalahy 52 1958 Mavo handray fanjakana 53 1958 Ombalahy savika ombalahy |
| Sary |
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/07 |
|