|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 tafatoetra
Fototeny  2toetra
Sokajin-teny  3 matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4qui s'est placé, qui s'est assis. [1.3]
Ohatra  5 Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy. [2.48]

Teny iditra (2/2)6 Tafatoetra
Singan-teny  7tafatoetra
Sokajin-teny  8 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  9 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  10Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  11 Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
12 Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
13 Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
14 Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …

15 Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
16 Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
17 No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
18 Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

19 Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
20 Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
21 Fa mampita hazavana mampionona fanahy …

22 Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
23 Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
24 Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!

Fivaditsoratra  25 tafatoetra, Tafatoetra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02