|
|
|
|

Teny iditra1 Ali-mainty mamanala
Singan-teny  2alina, 3mainty, 4mamanala
Sokajin-teny  5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  6 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  7Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  8 Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry,
9 Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry;
10 Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana,
11 Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana!

12 E! ry alin'alahelo! ali-mampahoriory,
13 Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory,
14 Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany,
15 " Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany.

16 Aiza izao ankehitriny, ô ry alina somamby,
17 Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby?
18 Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony!
19 Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony!

20 Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana,
21 Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana,
22 Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa ,
23 Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa!

24 Nefa izao dia mamanala izato alina mavany ,
25 Erika sy patrakala no nanondraka ny tany;
26 Tora-kovitra indrisy!'lay tsy zatra mba nihafy,
27 Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy!

28 Eny! tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry,
29 O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry!
30 Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha,
31 Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha!

32 O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko,
33 Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko?
34 Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana,
35 Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana?

36 Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay,
37 Lamba be tsy rtlahafana no arakotrao anay;
38 Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento,
39 Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento.

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11