|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 tsikitsikinao
Fototeny  2tsiky
Sokajin-teny  3 anarana tsikitsiky sy mpisolo
Ohatra  4 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany ! [1.291]

Teny iditra (2/2)5 Tsikitsikinao
Sokajin-teny  6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  9 Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana…
10 Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany…
11 Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana…
12 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !

13 Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
14 Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
15 Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
16 Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !

17 Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao
18 Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
19 Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !

20 Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
21 Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny,
22 Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !

Fivaditsoratra  23 tsikitsikinao, Tsikitsikinao

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05