|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 indro
Sokajin-teny  2 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4behold! Lo! Here! This is it! See indry.. [1.2]
5behold! look! there he (she, it) is!. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6voici, voilà. [1.3#280]
7le (la) voilà. [1.8]
Ohatra  8 indro ny volanao. [2.4]
9 indro avereno izy! [2.298]

Teny iditra (2/2)10 Indro
Singan-teny  11indro
Sokajin-teny  12 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  13 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  14Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  15 Indro ny Zanakavavin’ny Alina
16 Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
17 ‘Ndeha handro izy iny…

18 Ny volony lava toa setroka oly,
19 Ny maso baliakany toa hanangoly…
20 Mandrendri-bahiny!…

21 Mba mahina angaha sao misy mahita
22 Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
23 dia indro tokoa…

24 Ingahy masoandro misalotra mena
25 malaina handao an’ity fijerena
26 An-dRavolana soa!…

27 Dia indro fa nihaona ny masony roa
28 Ka menatra indrindra Ravolana soa
29 Noraisiny haingana

30 ‘lay rahona kely mba sendra nandalo
31 ho enti-manafy an’ity tena mimalo
32 tsy ho hita mivaingana…

33 Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
34 Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
35 …Dia tena nitranga!

36 Nisosa malako, nandeha nilomano
37 namaky ny ony ‘zay manganohano:
38 Ny lanitra manga!

Fivaditsoratra  39 indro, Indro, 40 ondry

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02