|
|
|
|

Teny iditra1 Teo amin' ny valsa
Singan-teny  2t~, 3eo, 4amy, 5valsa
Sokajin-teny  6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  9 Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
10 Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
11 Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
12 Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

13 Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
14 Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
15 Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
16 Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

17 Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
18 Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
19 Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

20 Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
21 Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
22 Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11