|
|
|
|

Teny iditra1 Kintana mamony
Singan-teny  2kintana, 3mamony
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  7 Indro indray ianao, ry lanitra,
8 ngalingaly ery fa tony.
9 Satrinay hanentona hanitra
10 'reto kintana mamony!

11 Fa baliaka dia baliaka,
12 mipendrampendrana aok'izany,
13 toa manantsika , sariaka,
14 saingy lavitra ny tany.

15 Ireo e ny voninkazo
16 nofinay ka ho azo,
17 fa dia eny no andrandraina !

18 tsy hanintsana doria!
19 Moa ny masonay tia,
20 raha hahirina hangaina ?

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13