|
|
| | | | |
|
| Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
| Ohabolana misy ny teny hoe : kapaina | |||||||||||||||||||||
| Ohabolana 1 | Harahara an-tsefa-bato : ongotana, mafy, kapaina tsy azo; Harahara an-tsefa-bato: ongotana, mafy ; kapaina, tsy azo ; | ||||||||||||||||||||
| Ohabolana 2 | Monina amoron' ala ka mahita ny mahitsy hokapaina. [1.1]
Raha monina amoron' ala, mahita ny mahitsy hokapaina. [2.558 #3624] | ||||||||||||||||||||
| Fanazavana malagasy | Enti-milaza fa ny fisian' ny tena amin' ny toerana iray dia ahalalana miohatra an' iza na iza izay rehetra mikasika an' io, na koa: izay zatra mifampikasokasoka amin' olona na zavatra maro no mahalala izay tokony hatao. [1.1] | ||||||||||||||||||||
| Ohabolana 3 | Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo, raha kapaina ny vondrona mihetsika ny herana. [2.558 #3664]
Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo ; raha kapaina ny vondrona, mihetsiketsika ny herana. [2.653 #2718] | ||||||||||||||||||||
| Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
|
|