|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 velona
Sokajin-teny  2 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e!.
4Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao?.
5Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy.
6Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany.
7Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana".
8Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka.
9Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10living, alive. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11vivant. [1.8]
12tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains. [1.196]
Ohatra  13 fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona [2.131]
14 Mbola velona ihany hianao Razay! [2.324]
15 Filazana toetr'olom-belona hiany izany. [2.59#77]
16 Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko? [2.471]
17 tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko. [2.472]
Haiendriteny 
18 Tsotra :
19 Tovonana :
20 Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  43Fikambanana 102 amin' io teny io
Ohabolana  44 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)45 velona
Sokajin-teny  46 tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  47Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e!. [1.1]

Teny iditra (3/3)48 velona
Sokajin-teny  49 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  50be voninahitra. [Bezanozano] [1.78]

Fivaditsoratra  51 levona, 52 velona, 53 volena

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02