|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 mihinana |
| Fototeny | 2hinana |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Mitsako ary mitelina ventin-kanina mba hahavelona ny tena: Mihinam-bary ny Malagasy.
5Mikiky: Mihinana ny vy ny haro fesina. 6Mankahia, mampihena: Mihinana azy ny eritreriny. 7Maka zavatra ankeriny (aman' olona): Nihinam-bolan' olona, hono, Rangahy io. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8to eat; to use up; to embezzle funds.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9manger; consommer; détourner des fonds.
[1.8] [mihinaña] 10manger. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
11 Ary nony nihinana kelikely, hono, izy, dia hoy izy:
[2.293]
12 Aza mihinana ny varin' Andriambahoaka re ianareo [2.470] 13 Eo ampanaovana izany anefa, mahazo mihinan-katsaka izay te hihinana ary na firy na firy. [2.472] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 18 homana, 19 mamahantena, 20 mamango, 21 mambosibosika, 22 mambosika, 23 managorodana, 24 manaoindraimbava, 25 manaorapadango, 26 manaosesimontotra, 27 manaotelimoka, 28 manaotombokorona, 29 manaotombokitsatsy, 30 manaotranga, 31 manaovakimborona, 32 manaovoky, 33 mandrapaka, 34 mandrepoka, 35 manendry, 36 manesika, 37 mangeboka, 38 manoranorana, 39 mianjady, 40 mibibaka, 41 mifotafota, 42 miharaka, 43 mijao, 44 mikesokesoka, 45 miletra, 46 mimontsina, 47 miosanosana, 48 mipaka, 49 misatrasatra, 50 mitelina, 51 mitomboka, 52 mitsamontsamona, 53 mitsingintsingina, 54 miviravira |
| Kamban-teny rehetra | 55Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Ohabolana | 56 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 57 mihinàna |
| Fototeny | 58hinana |
| Sokajin-teny | 59 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihinana [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
[1.3] |
| Fivaditsoratra | 60 mihinana, mihinàna |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03 |
|