|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 maty |
| Fototeny | 2faty |
| Sokajin-teny | 3 matoanteny mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo.
5Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany. 6Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra. 7Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro. 8Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy. 9Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany. 10Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany. 11Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
12dead.
[1.2, 1.7] 13gone out as a lamp, or a fire. [1.2] 14paralyzed (of the limbs). [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
15mort.
[1.3#437, 1.8, 1.196] 16paralysé (se dit des membres du corps). [1.8] 17paralysé. [1.196] |
| Ohatra |
18 Tsy te-ho faty aho!
[2.529]
19 voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. [2.293] 20 Maty marina ireo olona ireo, tompoko! [2.324] 21 Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! [2.4] 22 Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [2.470] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 30 dangy, 31 diso, 32 fohatra, 33 jedana, 34 jihitra, 35 jingy, 36 lasaanyaminnyvarotsymifody, 37 lasaanyankoatra, 38 lasanandriamanitra, 39 lasankorazana, 40 latsakaaina, 41 mandryaoambanyrangolahy, 42 manjahana, 43 miamboho, 44 miondambatomangatsiaka, 45 mitsitra, 46 modimandry, 47 nivoakanyvaravarankazokaniditranyvaravarambato, 48 nodyvovoka, 49 rabevoina, 50 rabevoina, 51 ratompokolahy, 52 ratompokolahy, 53 ratompokovavy, 54 ratompokovavy, 55 tapitraandro, 56 tsymiaina, 57 tsytradrano |
| Kamban-teny rehetra | 58Fikambanana 142 amin' io teny io |
| Ohabolana | 59 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 60 maty, 61 mità, mita, 62 tamy |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|