|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mangatsiaka
Fototeny  2hatsiaka
Sokajin-teny  3 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4Mamanala, manaikitra, mamirifiry: Mangatsiaka ny andro rehefa ririnina.
5Tsy mafana, antara: Mangatsiaka ny kafe.
6Tsy misy hafanana, tsy mirehidrehitra: Nangatsiaka ny fifandraisanay tao ho ao izay.
7Mahatsiaro hatsiaka: Mangatsiaka aho fa rakofy bodofotsy.
8Matimaty, matoritory: Mangatsiaka ny fivavahana amin' itý faritany itý. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9cold. [1.2, 1.7]
10chilly, frigid.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11froid. [1.8]
Ohatra  12 Vary mangatsiaka sisa nihinanantsika omaly izao no nohaninay, dia lasa izahay, fa tsy nitoetra akory. [2.324]
13 Tsy ela kosa dia nentin-dRasoa avy any, amin' ny zinga lava taho, ny rano mangatsiaka mangalahala. [2.470]
Haiendriteny 
14 Ny ankehitriny :
15 Ny lasa :
16 Ny hoavy :
Mpanahaka  17 antaravelona, 18 havandralatsaka, 19 jihitra, 20 mamirifiry, 21 manara, 22 manarandefona, 23 mangintsy, 24 mangintsina, 25 mangintsingintsina, 26 marikoditra, 27 mifihifihy, 28 mitsangambolo, 29 mivihivihy, 30 ngoly, 31 saronara, 32 sarotinkatsiaka
Kamban-teny rehetra  33Fikambanana 7 amin' io teny io
Ohabolana  34 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)35 Mangatsiaka
Singan-teny  36mangatsiaka
Sokajin-teny  37 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  38petite rivière de la préfecture de Fort-Dauphin qui se jette dans le lac Anony. [1.11]
Voambolana  39 Haitoetany: renirano, farihy

Fivaditsoratra  40 Mangatsiaka, mangatsiaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02