|
|
|
|

Teny iditra1 marikoditra
Singan-teny  2marika, 3hoditra
Sokajin-teny  4 kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5(mari-koditra) ilazana ny olona mangatsiaka ka mangovingovitra hila hanavy; mahatsiaro mangatsiaka ka mitsangantsangam-bolo. [1.1]
6mihorin-koditra noho ny hatsiaka. [1.62]
Ohatra  7 Tsy marary tsy marikoditra ny zanany. [2.470#]
8 Mitotofa re bodofotsy, raha marikoditra fa mbola sahirana aho. [2.285#]
Voambolana  9 Fahasalamana

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11