|
|
|
|

Teny iditra1 endrey
Sokajin-teny  2 tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra.
4(Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana).
5-- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany !. [1.10]
Ohatra  6 endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470]
7 Taitra izy, ary endrey ny fahatahorany; [2.324]
8 endrey ny alahelo amy ny fandrenesana izany! [2.59]
9 endrey maha-te-hizaha! [1.215]
10 endrey ny hatairan' izy roa lahy! [2.499]
11 Dia hoy Rafotsiarifanahy: "endrey! [2.293]
Tsipelina hafa  12adray, adrey, dray, drey

Fivaditsoratra  13 diñere, 14 endrey

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12