|
|
|
|

Teny iditra1 adrey
Sokajin-teny  2 tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra.
4(Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana).
5-- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany !. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  6an exclamation of surprise or approbation; Really! You don't say! See there!. [1.2]
7oh my!, alas! [same as adray]. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8tiens ! douleur, crainte : aïe ! [comme adray]. [1.8]
Ohatra  9 adrey, ity Rangahympanjato-bemividy kary! [2.293]
10 Rehefa tonga tany izy, dia taitra ny tao an-tanàna, ka nanao hoe : adrey! [2.69]
Tsipelina hafa  11adray, dray, drey, endrey

Fivaditsoratra  12 adrey, 13 diera

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12