|
|
|
|

Teny iditra1 Tsy tanim-pahoriana
Sokajin-teny  2 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4Rafanoharana
Lahatsiratra manontolo  5 Ry olo-mitomany
6 Misentosento lava,
7 Milaza fa ny tany
8 Feno haizin-tsy misava!

9 Moa marina e izany?
10 Moa tena fahoriana
11 No hita hatrany hatrany,
12 Fa tsy mba fifaliana?

13 Ry olo-mitomany,
14 Mitrakà vetivety:
15 Dinihonao ny tany
16 Miravo sy mifety!

17 'Reo tendrombohitra avo,
18 Havoana marobe;
19 Ny vato mena, mavo,
20 Tsy tena kanto ve?

21 He' rony koa ny ala,
22 Indreo ny renirano;
23 Moa mampisalasala
24 Fa tsara ireo? … Tazano!

25 Jereo ny zaridaina,
26 Todiho ny lohasaha;
27 Tsy faly ve ny saina?
28 Endrey maha-te-hizaha!

29 Ireo izay nambolena
30 Dia vokatra isan-taona.
31 Salama koa ny tena;
32 Nahoana no hisaona?

33 Tsy tanim-pahoriana
34 'Zao tanintsika izao!
35 Vonoy ny hakiviana;
36 Ho sambatra ianao!

37 Fotoana isentoana
38 Tsy betsaka tsy akory;
39 Minitra vitsy foana
40 Dia lasa ny mahory!

41 Ny ora maro sisa
42 Dia feno fitahiana,
43 Koa zovy no hanisa
44 'Reo poti-pijaliana?

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13