|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Ny Tendrombohitra roambinifolo |
| Singan-teny | 2tendro, 3vohitra, 4roa, 5amby, 6folo |
| Sokajin-teny | 7 kambanteny |
| Fanazavàna teny malagasy |
8Ny Tendrombohitra Roambinifolo na Tendrombohitra Masina dia ireo toerana nisy razan' andriana na nametrahan' Andrianampoinimerina ny vadiny aman-janany hampandry tany, ary nanorenany rova sy lapa, misy kianja sy vatomasina fisaorana amin' my omby volavita isam-pandroana.
9Tsy roambinifolo ihany akory izy ireo fa mahatratra enina amby roapolo satria niampy arakaraka ny nandrosoan' ny famorian' Andrianampoinimerina an' Imerina enin-toko. 10Ireto ny anaran' ireo Tendrombohitra ireo: 1. 11Valo tao Avaradrano : Ambohimanga, Antananarivo, Ambohidrabiby, Ilafy, Namehana, Imerimandroso, Amboatany, Ikaloy. 12 2. 13Fito tany amin' ny Vakinisisaony : Ampandrana, Imerimanjaka, Alasora, Iharanandriana, Andramasina, Tsiafahy, Ambatomanga. 14 3. 15Telo tany amin' ny Marovatana : Ambohidratrimo, Ampananina, Ambohimirimo. 16 4. 17Dimy tao amin' Ambodirano : Androibe, Antsahadinta, Fenoarivo, Vatolaivy, Ambohibeloma. 18 5. 19Telo tao amin' ny Vakinankaratra : Iarivo, Imanandriana, Ambositra. 20Nisy koa Tendrombohitra Roambinifolo notondroin' Andriambahoaka II tany Imamo. 21Ireto ireo Tendrombohitra ireo : Ambohiniazy, Ambohitrambo, Ambohitrondrana, Arivonimamo, Ambatomanjaka, Ambohitrantenaina, Ambohibolondrano, Ambohipolo, Ambohibeloma, Ambohitsara, Ambohijato, Ambohitrona.. [2.508#423] |
| Fanazavàna teny anglisy |
22Three criteria define a holy hill in Imerina: 1.1 a burial place for princes and kings 1.2 a place to pay tribute to princes and kings 1.3 a residence of one of Andrianampoinimerina's official wives Four criteria identify the personnality of the holy hills: 2.1 hills of a relatively important altitude above the surrounding rice fields 2.2 hills having or having had a fort (rova) 2.3 hills having one or more tombs of princes or kings, and other relics still attracting pilgrims 2.4 hills having royal or princely housing, or a public meeting plazza (kianja). [2.505] |
| Fanazavàna teny frantsay |
23Trois critères définissent une colline sacrée en Imerina: 1.1 colline où l'on enterrait les princes et les souverains 1.2 colline où l'on rendait hommage aux princes et souverains 1.3 colline où Andrianampoinimerina a installé une des ses épouses officielles. 24 Quatre critères identifient la personnalité des collines: 2.1 collines d'altitude plus ou moins importante par rapport aux bas-fonds rizicoles environnants 2.2 collines abritant ou ayant abrité un rova 2.3 collines accueillant un ou des tombeaux princiers ou royaux et objets de pélerinages contemporains 2.4 collines ayant fait l'objet de divers aménagement allant de l'habitat princier ou royal au kianja, place publique de réunion.. [2.505] |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|