|
|
|
|

Teny iditra1 henoy izany ry hazondamosina
Singan-teny  2henoy, 3izany, 4ry, 5hazo, 6lamosina
Sokajin-teny  7 kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  8enti-milaza zavatra tsy tiana hohenoina ka ny hazondamosina -- misy tsilalaon-teny amin' ny vato aman-kazo izay tsy mandre na inona na inona -- no asaina mihaino azy fa tsy ny sofina. [1.1#424]
[henoy izany ry hazondamosiko] 9enti-milaza ny hodi-tsokatra tsy mandre akory ny havandra miraraka eo an-damosiny, ka ny heviny dia tsy firaharahana izay any ivoho any, na fanehoana tsy firaikana amin' ny teny na anatra atao; teny fanaon' ireo be marenina tsy mihaino anatra, sady fatra-paniratsira satria ny lamosiny no asainy mihaino. [1.1#428]
Fanazavàna teny frantsay  10Littéralement "Écoute cela, ô colonne vertébrale" : rester insensible aux coups, aux reproches.. [1.5]
Ohatra  11 Hodi-tsokatra nilatsahan-kavandra : henoy izany ry hazon-damosina [2.558]

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11