|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 fiadanana
Fototeny  2adana
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4ankehitriny izy eo amin' ny raharaham-pirenena sy vahoaka dia ampiasain' ny olona hitovy hevitra amin' ny hoe fihavanana na fandriam-pahalemana na ny toetry ny tany sy ny vahoaka mandry feizay : tsy misy fikorontanana na ady ; mizotra milamina tsara ny fiainan' ny vahoaka, satria ny mpitondra dia sady hendry no marina : tsy misy mampahory vahoaka mba hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany ; izay hahasoa ny ambanilanitra no zava-dehibe imasoany.
5Ny vahoaka koa, noho izany, dia finaritra, ka mankato an-kafaliana sady tena miara-miasa amin' ny mpitondra.
6Tamin' ny faha-Andrianampoinimerina indrindra no nampiharihary izany teto : tamin' izay no nisehoan' ny firenenana hoe mandry fahalemana (azo atoriana amim-piadanana na amin' ny alina maizina aza), rahefa voavoriny tsara Imerina Enim-toko.
7Eo amin' ny fahampian' ny hanina koa no mampiadana ny vahoaka rahefa ny mpitondra no mikarakara azy tanteraka ho an' ny olona, araka ny tenin' Andrianampoina mandrakariva hoe : "Izaho sy ny vary dia iray ihany".. [1.10#F.458]
Fanazavàna teny anglisy  8slowness, composure, tranquility, happiness, prosperity.. [1.2]
9peace, tranquillity. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10La lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc.. [1.3]
11la lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc.. [1.3#2]
12paix, tranquillité. [1.8]
Ohatra  13 Hitondra fiadanana ho anao aho. [2.499]
14 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa [2.996]
15 Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux) [1.3#2>Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux)]
16 Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité) [1.3#2>Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité)]
Voambolana  17 Ontam-po
Kamban-teny rehetra  18Fiadanana
Ohabolana  19 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)20 Fiadanana
Sokajin-teny  21 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Voambolana  22 Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  23 andafiana, 24 fanadiana, 25 fiadanana, Fiadanana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03