|
|
|
|

Teny iditra1 fihavanana
Fototeny  2havana
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4fiombonana an-tsaina sy fo ary fanahy izay tsy voatery ho eo amin' ny olona manana rohim-pifandraisana araka ny ra ihany fa na dia eo amin' ny samy hafa fianakaviana sy fihaviana aza.
5Fifankatiavana lalim-paka nifamatoran' ny mpiaramonina teo anivon' ny ankohonana, fianakaviana, namana sy tapaka ary fokonolona: Tandrovy mandrakariva ny fihavanana fa ny maty aza te ho maro ~ Ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana. [1.62#384]
Fanazavàna teny anglisy  6blood relationship; friendship, comradeship. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7lien de parenté. [1.54]
8parenté de sang; amitié, bonnes relations. [1.8]
Ohatra  9 Vao mitsidi-doha ny fihavanana, dia tapahin-doha ny havana! [2.528#]
10 Ny fitandroana ny fihavanana no endri-panabeazana voalohany. [2.606#]
11 Fa izahay tsy hivezovezo fa ny fihavanana tokoa no nalehanay. [2.366#]
Kamban-teny rehetra  12Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  13 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  14 fihavanana, 15 fivanahana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02