|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 alatsinainy
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3(Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa).
4(T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.
5-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo.
6Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay".
7Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.
8Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.
9Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.
10Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.
11Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy.. [1.10]
12andro faharoa amin'ny herinandro.
13Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14Monday.
15[Ar.
16al-itzna'ni - Second.]. [1.2]
17Monday.. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  18le lundi.. [1.3, 1.8]
19lundi.. [1.5]
20lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi]. [Tanala] [1.6]
Ohatra  21 Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
22 Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Voambolana  23 Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  33Fikambanana 3 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  34 Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)35 Alatsinainy
Sokajin-teny  36 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  37anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  38the place of holding Monday's market.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  39noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement.. [1.3]
40marché du lundi.. [1.5]
Voambolana  41 Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  42 alatsinainy, Alatsinainy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02