|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 alarobia
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3(Arabo Al arbàatu, El-arba'a: fahefatra) Andro fahafito tamin'ny ntaolo.
4"Alarobia tsy miverina" no nilazan'ny razana azy, ka: andro fandevenana, famangia-malahelo, fialan-tsaona.
5Tsy fanao ny miainga hivahiny, na hanavin-draharaha amin'io, fa tsy hahavanona, na ho faty any tsy ho tafody an-tanindrazana, hoy izy; fady, torak'izany koa, ny manao hasoavan-jaza Alarobia, fa tsy hiverenan'ny fitahiana hoe.
6Ny Alakamisy sy ny Alahady no mifanohitra amin'ny "Alarobia tsy miverina", araka ilay nantsoina teo (Jereo Alakamisy) hoe: somary "milalao teny" ny ntaolo: tsy mandevina Alahady, sao malady mitranga ny fahafatesana, na Alakamisy, sao malaky misy maty.
7Ny "Alarobia mifoha Alakamisy" sy ny "Asabotsy mifoha Alahady", dia natao ho fotoana tsara fanaovan-java-baventy, toy ny hoe, ohatra: raha hanao zavatra na hanavin-draharaha any lavitra, lalana aleha andro maromaro, dia kendrana ny hahatonga ao amin'ilay toerana ny harivan'ny Alarobia, na Asabotsy, hahazoana mandry ao, dia eo an-toerana no mifoha hanao ilay zavatra ny marainan'ny Alakamisy na Alahady.
8Izany no nokendrena raha misy vohitra halàna (hotafihina), na raha misy kabary lehibe asaina vonjen'ny olona.
9Alarobia tsy miverina, no nanorenan-tsena ho an'i Vakinisaony, mba tsy hiverina amin'Andrianamboatsimarofy intsony ny fanjakana -- dia ny tsenan'Alarobia-Amboanjobe.
10Ny zaza teraka Alarobia dia natao Rabe no anarany eto Imerina, ary Rabia, na Ibia, any Betsileo, ets.; tsy mihety na manala hoho Alarobia ny olona teraka amin'io andro io.
11-- Lahimbahona no faditry ny Alarobia.
12Raha ohatra ka Alarobia no tsinana ny Alahasaty, dia tsy fanaon'ny ntaolo amin'io andro io ny mamono zavatra (biby) afa-tsy ny misoratra manja mena.. [1.10]
13andro fahefatra amin'ny herinandro.
14Araka ny finoan'ny Ntaolo, dia tononandro ratsy ny alarobia satria ny alarobia, hono, tsy miverina: fanaovana famoizana, afana, famadihana ny maty, fitomaniana raha mana-maty, ary izany no nahatonga ny andro alarobia ho andro famangia-manjò.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  15Wednesday.
16[Ar.
17al-arba'ata - Fourth.]. [1.2]
18Wednesday. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  19le mercredi. [1.3]
20mercredi. [1.5, 1.8]
21mercredi [ar.: arba'a, quatre, al-arba'a, mercredi]. [1.6]
Ohatra  22 alarobia maraina iny andro nahatongavany iny. [2.472]
Voambolana  23 Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  33Fikambanana 2 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  34 Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)35 Alarobia
Sokajin-teny  36 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  37anaran'ny tanàna na vohitra misy tsena (lehibe) amin'ny io andro io, toa an-Alarobian'i Vohiposa, Alarobian-Amboanjobe.. [1.10]
38anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  39the place of holding Wednesday's market.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  40nom des marchés qui se tiennent en ce jour et de leur emplacement.. [1.3]
41marché du mercredi. [1.5]
Ohatra  42 Lemademaka ery alarobia
avo mahatazana Ambohijanahary
ketrak' ila misasaka Imahamasina
[2.131]
Voambolana  43 Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  44 Alarobia, alarobia

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05