|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Voninkazo taratasy |
| Singan-teny | 2vony, 3hazo, 4taratasy |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 6 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
7Rajaobelison Samuël |
| Lahatsiratra manontolo |
8 Dodona aho hanimbolo 9 F'efa babony tontolo, 10 Kanjo he! mangasihasy! 11 Voninkazo taratasy! 12 Ny voninkazo-Nanahary 13 Ve tsy nisy? ka inona àry, 14 Ka inona no nanolorana 15 'Ty voninkazo torantorana? 16 Karazan-doko mahakofona 17 Fa tsy hanitra na fofona, 18 Nony'njay atao an-tratra: 19 Henjankenjana mandratra. 20 Samy voninkazo ihany: 21 Ny iray velomin-tany, 22 Dokadoka, lenodenoka, 23 Misy fofo-maharenoka! 24 Samy voninkazo ihany: 25 Ny iray namboarina any ho any 26 Lafo vidy, sarotsarotra, 27 Entam-barotra! entam-barotra! 28 Samy fotsy, samy mena, 29 Samy ngita raha jerena. 30 Ny iray, fahaizana hosodoko; 31 Ny iray, kilalaon'ny foko! 32 Eto an-tany koa dia misy 33 Toerana amboarina indrisy! 34 Maka tahaka ny lanitra, 35 Nefa tsisy fofo-manitra. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11 |
|