| Fanazavàna teny malagasy |
4Rajaobelison Samuël (1915-) (Zakarandahy).
[3.1]
5Samuël Rajaobelison - na Zakarandahy eo amin'ny fanoratana, teraka tamin' ny 25 septambra 1915 - dia anisan'ny poety manana ny toetrany manokana: mahay mamorona sy mampisy ny tsy misy ary mampiseho izany amin' ny sary mova tsy ny vita hosodoko; ny mahagaga anefa dia tsy mba manao tàhaka ny ankamaroan'ny poety izy, izany hoe manatsoaka aingam-panahy avy amin' ny zavatra asehony "toa teo ", fa avelany ho anjaran'ny mpamaky izany..
[2.314]
|