|
|
|
|

Teny iditra1 tso-drano    tsodrano
Singan-teny  2tsoka, 3rano
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  [tsodrano] 5(taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka).
6(ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady.
7(ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano.
8Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [tso-drano] 9aspersion, bénédiction, souhaits d'adieu.
10action de céder. [1.3]
Ohatra  11 Dia lasa ny vahiny, narahan' izy mivady saotsaotra sy tsodrano. [2.472]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  21 firariantsoa, 22 ranombavaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/31