|
|
|
|

Teny iditra1 maditra
Fototeny  2ditra
Sokajin-teny  3 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho.
5Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6stubborn. [1.2, 1.7]
7obstinate, pertinacious. [1.2]
8disobedient. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9obstiné, délinquant (se dit des jeunes). [1.8]
Ohatra  10 Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony. [2.470]
11 angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [2.996]
Haiendriteny 
12 Ny ankehitriny :
13 Ny lasa :
14 Ny hoavy :
Mpanahaka  15 bebohihy, 16 bebohika, 17 bedidoha, 18 bekiry, 19 bemarenina, 20 betohika, 21 donto, 22 kafiry, 23 kirina, 24 kizitina, 25 madity, 26 mafyhatoka, 27 mafykitroka, 28 mafyloha, 29 mafysofina, 30 mafytadiny, 31 mahafotsyteny, 32 mahalavavava, 33 maheryloha, 34 maherysetra, 35 maheryvaika, 36 maheryzaka, 37 makikitra, 38 mamotsyrora, 39 manatabava, 40 matevinkoditra, 41 mihizihizy, 42 mitsivalampandry, 43 tokambolana, 44 tsyandairananatra, 45 tsyazoakisoka, 46 tsyazoanarina, 47 tsyazoataoahoanaaminahoana, 48 tsyazotenenina, 49 tsyhaytoroana, 50 tsylaitraakisoka, 51 tsymatymanota, 52 tsymisyfamavany
Kamban-teny rehetra  53iri-mahory ohatra ny zaza maditra
Ohabolana  54 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02