|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 zavatra |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Izay rehetra misy na hita vatana izany na an' eritreritra: Ny fanahy dia zavatra manan-tsaina fa tsy manam-batana na ren' ny fandrenesana.
4Teny ilazana izay rehetra tsy manana aina, izany hoe: tsy zavamaniry na biby na olona: Hividianana ny zavatra ilaina amin' ny fiainana no ilana ny vola ~ Ny akalana dia zavatra ampiasain' ny mpivarokena mba hikapany ny taolana. 5Teny ilazana toe-draharaha araka ny nisehoany: Tantarao amiko tsara ny zavatra rehetra. 6Teny ilazana izay heverina ho tsara, ho ambony: Izany ka tena zavatra! ~ Manao azy ho zavatra io tovolahy io. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7a thing.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8chose; objet.
[1.3#870, 1.8] 9le beau, le parfait, le principal. [1.3#870] 10objet appartenant à autrui ou à soi, chose. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
11 zavatra, zavatra, zavatra, zavatra, hoy ny lahy nampandihy soroka sy nalaina hanazava tsara ny valin' ny fanontaniana
[2.470]
12 Ary angamba rehefa hangata-javatra izy amin' ny manaraka, tsy hahazo intsony [2.472] 13 Ary ny mpitondra zavatr' andriana: [2.48] 14 Fofon' ain' ny herin' Andriamanitra izy, zavatra avy amin' ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana. [2.996] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 21 raha |
| Kamban-teny rehetra | 22Fikambanana 91 amin' io teny io |
| Ohabolana | 23 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 24 zavatra |
| Sokajin-teny | 25 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
26Teo amin' ny finoan' ny Ntaolo, karazana fanahy ratsy tsy fantatra, ivelan' ny olombelona, izay mety hanimba azy ka natahorany: Rano misy zavatra io ka tandremo.
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
27a spirit of some sort.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
28fantôme.
[1.3#870, 1.8] 29sorcellerie, charme, mauvais esprit, revenant. [1.3#870] 30esprit. [1.8] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 33Fikambanana 4 amin' io teny io |
| Ohabolana | 34 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|