|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 fakam-panahy |
| Singan-teny | 2faka, 3fanahy |
| Sokajin-teny | 4 kambanteny |
| Fanazavàna teny malagasy |
5Teny ilazana ny fitaomana ataon' ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy: Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namilivily ny volam-bahoaka.
6Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena: Fakam-panahy lehibe ho azy io zava-pisotro eo ambony latabatra io. [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7tentation.
[1.5] |
| Ohatra |
8 Mandositra ny fakampanahy aho!
[2.5#]
9 Hahatohitra ny fakampanahy ve hianao rahavako, ka hahandry ny fiverenako? [2.499#] 10 Fa na inona na inona no hevitra momba izany, dia hita mazava fa ao ny fakampanahy mamely antsika [1.38] 11 Voan' ny fakampanahy ny sasany ka nangalatra ny volan' ny namany hividianany mokary [2.356#] |
| Tovy hevitra | 12fitaoman-dratsy |
| Mpanahaka | 13 fitaomandratsy |
| Lahatsoratra | 14Randzavola: fakampanahy ao amin' ny Baiboly |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|