|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 fanahy |
| Fototeny | 2hahy |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka.
[1.1] |
| Teny iditra (2/4) | 5 fanahy |
| Fototeny | 6ahy |
| Sokajin-teny | 7 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
8Fomba entina manahy.
9Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango. 10Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona.. 11Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany.. 12Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika.. 13Toetra: Manao fanahin-jaza.. 14Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano.. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
15the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man.
16See nahy.. [1.2] 17the spirit, the soul; an attitude or temperament. [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
18esprit, âme; attitude ou tempérament.
[1.8] |
| Ohatra |
19 Toetra no lazaina hoe fanahy eto.
[1.316#]
20 Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#] 21 Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#] |
| Haiendriteny |
|
| Voambolana | 24 Filôzôfia |
| Tovy hevitra | 25iniana, nahy, satry |
| Kamban-teny rehetra | 26Fikambanana 49 amin' io teny io |
| Ohabolana | 27 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 28Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (3/4) | 29 fañahy |
| Sokajin-teny | 30 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
31fitaka.
[Bara]
[1.78] |
| Haiendriteny |
|
| Teny iditra (4/4) | 34 Fanahy |
| Sokajin-teny | 35 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana] |
| Ohatra |
36 Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy
[2.996]
|
| Voambolana | 37 Soratra Masina |
| Fivaditsoratra | 38 fahany, 39 fahina, 40 Fanahy, fanahy, fañahy, 41 fiha~na, fihana, 42 hafina |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03 |
|