|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/5) | 1 do |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Karazam-bibilava makadiry.
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
4espèce de grand serpent.
[Taisaka]
[1.82] 5espèce de boa. [1.54] |
| Voambolana | 6 Haibiby: biby mandady ary biby miain-droa |
| Tovy hevitra | 7akoma, ankoma |
| Kamban-teny rehetra | 8anañi ty do vanda |
| Teny iditra (2/5) | 9 do |
| Sokajin-teny | 10 anarana na mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
11habokana.
[Taisaka]
12boka tsy manana rantsana (tanana na tongotra) intsony. [1.78] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13lépreux qui a perdu les doigts et les orteils.
[Taisaka]
[1.82] |
| Voambolana | 14 Fahasalamana |
| Teny iditra (3/5) | 15 do~ |
| Sokajin-teny | 16 tovona [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
17Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza toetra mifandray amin' ny hevitry ny fototeny voalohany: Dorehitra (rehitra).
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
18Préfixe qui distingue les racines primaires des racines secondaires par une transposition de sens du physique au figuré, du concret à l'abstrait: rehitra - dorehitra.
[1.12] |
| Teny iditra (4/5) | 19 do
![]() |
| Sokajin-teny | 20 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny anglisy |
21to do: manao, mahefa, mahavita.
[1.17] |
| Teny iditra (5/5) | 22 do
![]() |
| Sokajin-teny | 23 anarana (eva) |
| Fanazavàna teny malagasy |
24Ny feo voalohany na ambany indrindra amin' ireo ambaratongam-peo fito amin' ny gama.
[1.1] |
| Voambolana | 25 Feon-kira: (amin' ny ankapobeny) |
| Mpanahaka | 26 fa, 27 la, 28 mi, 29 re, 30 si, 31 sol |
| Sary |
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|