|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 tsikitsikinao |
| Fototeny | 2tsiky |
| Sokajin-teny | 3 anarana tsikitsiky sy mpisolo |
| Ohatra |
4 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
[1.291]
|
| Teny iditra (2/2) | 5 Tsikitsikinao |
| Sokajin-teny | 6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 7 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
8Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Lahatsiratra manontolo |
9 Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana… 10 Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany… 11 Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana… 12 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany ! 13 Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana, 14 Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana, 15 Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana, 16 Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana ! 17 Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao 18 Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao 19 Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany ! 20 Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny 21 Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny, 22 Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany ! |
| Fivaditsoratra | 23 tsikitsikinao, Tsikitsikinao |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|